Fokontany 11 no nandray anjara tamin’ny fifaninanana momba ny tontolo iainana maitso nampanaovin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny minisiteran’ny Asa vaventy, naroso tamin’ny 9 aogositra 2022. Nampahafantarina ny valin’izany fifaninanana izany. Tanjona ny hikajiana ny fahadiovan’ny faritra, ka ny fambolen-kazo miisa 250 nozaraina tamin’
ireo fokontany 11, niampy ny fanadiovana ny faritra no atao amin’izany.
Roa volana ny fifaninanana, ka isan-kerinandro ny ekipa voakasika izany tetikasa izany no manara-maso ny faritra. Notsaraina araka ny fahadiovana izy ireo sy ny fikojakojana ny hazo volena. Mendrika niavaka tamin’ny sasany ny fokontany Amoronankona, Soamanandrariny, Amboditsiry, sy Ambohimahitsy
Fankasitrahana nomena azy ireo, fitaovana informatika toy ny ordinatera, kojakoja fampiasa anaty birao. Notolorana mari-pankasitrahana koa ireo fokontany tsirairay nandray anjara tamin’izay nataony sy ohatra ho an’ny hafa.
«Faly sy misaotra ny mpanomana izahay. Talohan’izao fifaninanana izao efa niantoka ny fahadiovana ny fokontany misy anay sy ny manodidina. Ny loka azo manosika hanohy ny asa ho fiarovana ny tontolo iainana sy ireo fotodrafitrasa”, hoy ny filohan’ny fokontany Amoronankona.
Faniriana ny hitohizana any amin’ny fokontany hafa eto antampon-tanàna mba hitandroan’ny mponina ny fahadiovana sy ho tombontsoam-bahoaka. Ho fampirisihana azy ireo hanaja maharitra ny fotodrafitrasa.
Ndrina