Firariantsoa ho an’ny taona vaovao: hitafa ho an’ny vahoaka malagasy ny filoha Rajoelina

Fotoana iray hanaovana jery todika izao faran’ny taona izao ary hanombanana sy hametrahana koa ny vina ho an’ny taona vaovao. Hiompana amin’izany ny lahatenin’ny filoha Rajoelina Andry, ny asabotsy hariva, amin’ny 7 ora amin’ireo haino aman-jery rehetra.

Tombanana fa hitanisa ny ezaka sy ny dingana vita tao anatin’ny herintaona ny tenany. Tafiditra ao anatin’izany ireo fotodrafitrasa samihafa miompana amin’ny fanabeazana sy ny fahasalamana. Ny lafiny sosialim-bahoaka sy ny fandriampahalemana. Eo koa ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana. Ny sehatry ny angovo ary ny herinaratra…

Ny vidin-tsolika sy ny ady any Ukraine…

Na izany aza, eo ny olana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena noho ny nipoahan’ny ady eo amin’i Ukraine sy i Rosia ka niantraika amin’ny toekaren’ny firenena maneran-tany izany. Anisan’ny tsy afa-bela ny eto amintsika. Manampy trotraka izany ny niakaran’ny vidin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tsy azo nihodivirana ho an’i Madagasikara koa ny niakaran’izany. Eo koa ny takaitran’ny Covid-19 tamin’ny sehatra samihafa ka tsy mbola tena tafarina tanteraka izany hatramin’izao.

Fanalefahan-tsazy

Etsy andaniny, eo koa anefa ny vina sy ny tombana ary ireo ezaka hotanterahina sy hatomboka na koa efa an-dalana amin’ny taona ho avy. Manampy izany sady hamaranana ny lahateniny ny firariantsoa ho an’ny vahoaka sy ny firenena, amin’izao faran’ny taona sy ny hidirana amin’ny taona 2023 izao. Andra­sana tahaka izany koa anefa ny fanalefahan-tsazy ho an’ireo voafonja. Anisan’ny notakin’ny mpanohitra rahateo ny hamoahana ireo ambaran’izy ireo ho gadra politika.

Synèse R.

Partager sur: