Noesorina tamin’ny filankevitry ny minisitra ny tale jeneralin’ny Instat. Nilatsaka ny fepetra sy ny mason-tsivana avy amin’ireo sendika eo anivon’ny Instat amin’ny hisolo ny toerany.
“Olona afa-mamaha ny olan’ny Instat no tokony ho tale jeneraly”, hoy ny sendikàn’ny mpiasa « Contractuels » na ny « Syndicat des personnels contractuels de l’Instat », tetsy Andrefan’Ambohijanahary, omaly. Nisaotra ny filohan’ny Repoblika sy ny mpikamban’ny governemanta iray manontolo izy ireo, fa nihaino ny fitarainan’ireo mpiasa. Notanisain’ izy ireo fa betsaka ny tranga niseho teo anivon’ny Instat ka niafara tamin’ny fanesorana ny tale jeneraly. Navoitran’ny filohan’ny sendika, Andrianirina Eddy Michel fa mbola tsy mivaha ny olana. Manantena ireo mpiasa fa mba mpitantana efa zatra ireo mpiasa ary mahay tsara ny raharaha eo anivon’ny Instat no hapetraka eo. Tsy ho vahiny amin’ny fandraharahana sy ny fitantanana. “Mila olona mahatratra ny fampandrosoana lovain-jafy, ahafaha-mamaha ny olan’ny mpiasa izahay. Diplomaty, efa zatra misehatra amin’ny iraisampirenena. Anisan’izany ny eo anivon’ny Sadc na koa ny Comesa”, hoy izy. Nanteriny fa ahafahana mamaha ny olan’ity ivontoerana misahana ny antontanisa ity izany.
Nametraka fitoriana eny amin’ny Pac
Etsy andaniny, miandry ny fitsarana momba ny raharaha fitoriana napetraka eny anivon’ny Tendrom-pitsarana misahana ny kolikoly (Pac), mahakasika ny tale jeneraly teo aloha ireo mpiasa. Tsiahivina fa miisa 13 ireo mpiasa nesorin’ny mpitantana tsy ho mpiasa intsony ny volana novambra teo. Nametraka fitoriana teny amin’ny filankevi-panjakana “Conseil d’etat” ireo mpiasa niharan’ny tsy rariny ireo ary namoahan’ny mpitsara didy fampiantonana. Miantona izany ilay didy fandroahana nataon’ny tale jeneraly, teo aloha. Naverina niasa ireo Mpiasa, saingy nohidiana amin’ny efitrano iray mitoka-monina, anaty birao kely iray ireo mpiasa ampolony ireo taorian’izany.
Efa niverina niasa amin’ny efitrano mitovy amin’ny rehetra izy ireo amin’izao fotoana izao ary efa miasa tahaka ny mpiasa rehetra koa. Olana anefa ny tsy mbola nandraisan’izy ireo karama, araka ny fitarainan’ny sendika hatrany.
Synèse R.