Taorian’ny fahavitan’ny IHF Trophy, taranja handball natao teto Madagasikara ny 27 novambra, ka nandrombahan’i Madagasikara ny laharana voalohany ho an’ny faritra fahafito, avy hatrany dia nitohy ny fampivondronana sy ny fanomanantenan’ny Akio de Madagascar, sokajy U20.
Mpilalao 20 mirahalahy no miatrika izany. Raha tsiahivina, hanomana ny fiadiana ny ho tompondaka kaontinantaly, hatao any Congo Brazzaville, ny 16 ka hatramin’ny 20 janoary 2023 ho avy izao, ry zalahy. Hanainga ny 14 janoary ho avy izao ny delegasiona malagasy, ka 14 ny isan’ny mpilalao handrafitra ny Akio, amin’io fifaninanana io.
Sarotra ny fifantenana, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny federasiona malagasy satria mitovy avokoa ny lentan’ireo mpilalao ireo, izay tena ao anatin’ny tanjany tanteraka ankehitriny.
Nanamafy ny filohan’ny Federasiona malagasy (FMHB), Raheriarijaona Régina fa mila ny fandraisana anjaran’ny fitondrana ny fiatrehan’ny Akio de Madagascar anjara amin’ny sehatra iraisam-pirenena toa izao, izay mbola anaovany antso avo amin’ny mpitantana. Anisan’izany ny fandoavana ny latsakemboka 5000 Euros, ho an’ity taona 2022 ity, izay tokony hoefaina mialoha ny hanombohan’ny fifaninanana. Raha tsiahivina, ekipam-pirenena enina no hiady izay ho lohany amin’ity fifaninanana kaontinantaly ity. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany izay voalohany.
Tompondaka