Kitra any Ivelany: vonona ny hanarina ny lasa i Neymar sy i Mbappé

Hanomboka anio ny andro faha-16 ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Frantsa taranja baolina kitra “Ligue 1”. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro ny fihao­nan’ny Paris Saint Germain (PSG) sy ny Strasbourg. Lalao hotanterahina ao amin’ny kianja Parc de Prince, any Paris. Vonona hanarina ny lesoka tamin’ny fifaninanana eran-tany “Mondial 2022” i Neymar sy i Mbappé, mpilalao PSG, amin’io fihaonana io.
Raha tsiahivina ny Mon­dial nataon’izy ireo, i Mbappé, lohalaharana frantsay, no voahosotra ho mpamono baolina be indrindra. Baolina 8 no matiny nandritra ny fifaninanana, saingy niondrika nanoloana ny Arzantina izy sy ny ekipany, teo amin’ny lalao famaranana. I Neymar, kin­tan’ny baolina kitra brezilianina kosa, nahatafiditra baolina roa, saingy lavon’i Kroasia ry zareo teo amin’ny lalao ampahefa-dalana.
Marihina nefa fa tsy ave­lan’ireo tompon’andraikitra (Staff) ao amin’ny PSG hanao izy mirahalahy, noho ny zava-nisy tamin’ny Mondial.
“Izaho no tompon’ny teny farany, ary hitako tena vonona hanarina ny vokatra ratsy tamin’ny Mondial izy roa lahy”, hoy i Christophe Gal­tier, mpanazatran’ny PSG.

Fitia (Mpianatra Asa)

Partager sur: