Nijoalajoala ny afo tao amin’ny orinasa Sitam « Société Internationale des Tabacs Malgaches », omaly tokony ho tamin’ny 02 ora maraina, tao Manjarisoa-Mahajanga. Vokany, may avokoa ny iray ampahatelon’ny « entrepôt » an’ity orinasa ity. Hatreto tsy fantatra ny antony nahatonga ny loza, fantatra kosa fa antapitrisa maro ny totalim-bidin’ny entana levon’ny afo. « Olon-tsotra no nampandre ny mpitandro filaminana sy ny sampana mpamonjy voina ka tonga nidodododo teny an-toerana », hoy ny fanazavan’ny zandarimaria. Vokany, niara-nisalahy ny fokonolona sy ny zandary ary ireo sampana mpamonjy voina namono ny afo. Voafehy izany ka tsy nihitatra tamin’ny manodidina intsony. Adin’ny roa taorian’izay kosa vao maty tanteraka ny afo.
Tsy manana ireo fitaovana famonoana afo ity orinasa ity, lany anefa ny rano nampiasaina rehetra. Araka izany, voatery nampiasa “motopompe” ireo mpamonjy voina noentina nanohizana ny asa, hoy ny loharanom-baovao iray hafa. Etsy ankilany, nisy tamin’ireo olona no niezaka namoaka ireo entana tao amin’ilay “entrepôt” may. Nambaran’ny loharanom-baovao hatrany fa mbola hihodina sy hanohy ny asany hatrany ny Sitam na teo aza ny voina niseho. Nohamafisiny kosa fa hisy fiantraikany be eo amin’ny lafiny famokarana sy amin’ireo mpiara-miasa aminy izany.
Ankoatra izay, nanentana ireo orinasa ny tompon’andraikitra samihafa ao an-toerana ka nilaza fa tokony hanana fitaovana famonoana afo ialana amin’ny loza mety hiseho.
Henintsoa Hani