Mpivarotra amoron-dalana : notoloran’ny filoham-pirenena vary

Tsy ankanavaka ny fanomezana avy amin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry tamin’ity taona ity. Nisitraka ny fanampiana ny avy aminy ireo mpivarotra amoron-dalana. Nizarana vary tetsy amin’ny kianjan’ny Malacam izy ireo, omaly. Tonga nanolotra izany ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Repoblika, Pelandroy Espérance niaraka tamin’ny tale misahana ny serasera ary mpitondra tenin’ny filoha, Ranoromaro Lova…
Mpanohana feno ny asa fampandrosoana ataon’ny fi­loham-pirenena ny mpivarotra ary anisan’ny nandany azy amin’ny anatanterahana ny velirano hampandrosoana ny firenena.
Mihaino ny fitarainan’ny mpivarotra ny filoham-pirenena Rajoelina Andry ary mitsinjo azy ireo. Porofo mivainga izao fanampiana izao. Vao tamin’ity herinandro ity ihany koa no nanome alalana ny fiadidiana ny Repoblika ny hamelana malalaka ireo mpivarotra mba hitady vola amin’ ny asa fivelomany ka afaka mivarotra hatramin’ny voalohan’ny volana janoary izao. Mpirahalahy mianala ny roa tonta ka ny filoha tokin’ny mpivarotra, ny mpivarotra tokin’ny filoha.

Tatiana A

Partager sur: