Nilalao lakana: lehilahy mamo natelin’ny rano

Lasan’ny rano i Pala, rehefa nilalao zahatra na lakanakely teo amin’ny reniranon’Itomampy, afakomaly hariva. Mamo izy io ka nivadika ny zahatra nentiny.

Maty lasan’ny rano ny lehilahy iray, afakomaly tamin’ny 5 ora hariva. Raha ny tatitra voaray, nilalao zahatra teo amin’ny reniranon’ Itomampy, andrefan’Itanakidy izy io. Ni­vadika ny zahatra avy eo ka nilentika avy hatrany izy ary tsy hita. Nahavoaray antso an-tariby mikasika ny loza avy amin’ny sefo fokontany ao Nosifeno ny zandarimariam-pirenena ao Midongy. Nidina ifotony nanao ny fikarohana avy hatrany izy ireo niaraka tamin’ny Sefo distrika, ny ben’ny Tanàna ary ny dokotera. Fantatra fa i Boba na i Pala, mpikarakara paompy ao amin’ny kaominina Nosife­no ity niharam-boina ity.
Nandray fepetra avy hatrany ny eo anivon’ny zandary taorian’ny loza. Navoaka avokoa ireo lakana mandeha motera an’ny zandary mba hikarohana ity lehilahy ity. Nahetsika toy izany ireo lakana rehetra teo an-tanàna. Mba hanara-maso sy hanao tatitra raha mahita vaovao mikasika ity lehilahy niharam-boina ity. Marihina fa mbola tsy hita io lehilahy io hatreto raha ny tatitra voaray avy amin’ny zandary avy any Atsimo Atsinanana.

Mino (Mpianatra Asa)

Partager sur: