Rasoamaromaka Hery : “Arahin’asa ny fahavononana amin’ny fifidianana”

“Tsy maintsy vonona
amin’ny fifidianana, fa tsy main­tsy arahin’asa ny fahavononana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny Sekretera nasionalin’ny antoko TGV, Rasoama­romaka Hery, ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika, taona 2023. Izay no tombondahin’ny eo amin’ny fitondrana: tsy afa-manao fampanantenana intsony rehefa tonga ny taona 2023, tsy afa-kiteny intsony amin’ny vina hoe hanao izao na izatsy. Izay no mahatonga ny fitondram-panjakana tarihin’ny filoha Rajoelina miezaka mafy amin’ireo fiaraha-miasa sy amin’ny fanatanterahana ny velirano.
Toy izany, ohatra, ny fa­nombohana ny lalambe migodana. Satria any no hitsaran’ny olona ny tena. Izay no nahatonga ny antoko politika sasany nahazo vato 8% tamin’ny fifidianana. Satria notsarain’ny vahoaka amin’ny asa vita. Mbola manana tombon-dalana ihany ny fitondrana amin’izao mba miezaka
amin’ny asa miandry amin’ny 2023. Miankina amin’ny fa­havitan’ny asa tao anatin’ny velirano nataon’ny filohan’ny Repoblika izany. Ny filohan’ny Repoblika no nanao velirano tamin’ny vahoaka malagasy: izy no tsarain’ny vahoaka, araka ny nambarany.
Raha tsy hita ny zavatra ataon’ny olom-boatendry, na governoran’ny faritra na minisitra, ohatra: zava-poana no horesahina amin’ny vahoaka amin’ny 2023. Fanampin’iza­ny ihany koa ny mbola hahafahana manatanteraka ny vina tsy vita. Mbola misy herintaona latsaka kely ny fifidianana, manao izay faraheriny amin’izay azony atao ny tomponandraikitra rehetra.

R. Nd.

Partager sur: