Miompana amin’ny famokarana masomboly sy zanakazo ny asan’ny Robens Group hatramin’ny taona 1990. Mitarika any amin’ny faharatsian’ny kalitao sy tsy fahampiam-bokatra izay faharatsian’ny masomboly izay. Antoka iray mampahomby ny seha-pamokarana, noho izany, ny fisian’ny zana-kazo, izay efa in-16 izao ny Robens Group sady mpamokatra no mpamboly.
Rehefa masomboly, ohatra, fidina ny vary na katsaka, fa ny an’ny Robens Group, ny fomba famokarany miainga amin’ny cellule, manaraka teknolojia taty aoriana (clônage). Ny zava-maniry iray fidina ka mety hakana ny raviny na ny fakany dia ambolena. Efa misy teknolojia momba izany miparitaka manerana izao tontolo izao. Koa iarahan’io orinasa io miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka aminy, fikambanana, na olon-tsotra ny namboly zanakazo miisa 100 000 tamin’ity taona ity.
Lasa mpamboly izany ny Robens Group, miara-miasa ihany koa amin’ny mpamboly manana tany, ao anatin’izany ireo Vondron’olona ifotony na mila masomboly na zana-kazo tsara kalitao sy habetsahana.
Ndrina