Rugby : misokatra ny fifindrana klioba

Ao anatin’ny fanomanana ny taom-pilalaovana vaovao 2023 ny rehetra, ankehitriny. Mandritra izany no hahafa­han’ireo mpilalao isanisany, mifindra klioba “mutation”. Raha ho an’ny taranja rugby manokana, efa nisokatra nanomboka ny 22 desambra lasa teo izany. Malalaka
amin’ny safidiny sy araka izay tiany hifindrana ny mpilalao tsirairay. Tsiahivina fa hifarana ny 27 janoary ho avy izao izany.
Miantso ireo voakasika, araka izany, ny tomponandraikitra eo anivon’ny Malagasy Rugby, hanatona eny amin’ny foibeny eny Ankorondrano. Tsiahivina fa anisan’ny olana lehibe mampifanditra ny klioba ao anatin’ny fifaninanana mandeha ny fisian’ireo mpilalao tsy vita fifindran-toerana. Mitarika any amin’ny tsy fahafahan’ilay mpilalao mandray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka ny tsy fahavitan’izany ara-dalàna
ary misy fiantraikany lehibe amin’ireo fileovana ihany koa satria ho resy ambony latabatra na “forfait”, izay ekipa tratra mampiasa mpilalao tsy vita “mutation”.
Ankoatra izay, tafiditra ao anatin’ny fampidirana ny mpilalao ao anaty rindram-baiko “base des données” ihany koa ny fanatontosana izany.

Tompondaka

Partager sur: