Hifarana ny taona, hamarana ny “Bandy Rangahy Tour 2022” ihany koa i Samoëla sy ny tariny. Seho am-polony no tontosan’izy ireo tany ivelany, ka tao Frantsa ny ankamaroany, ny volana oktobra sy novambra ary ny fiandohan’ny desambra teo. Somary lasa alohan’ny namany, ka nisafidy ny hamarana ny taona eto an-tanàna ry Samoëla, raha toa ka efa lasa niondrana any ivelany avokoa ireo mpanakanto hanafana ny “fety gasy” amin’ny faran’ny taona.
“Magic Night”, no hampisalorana ny fiarahana ny alin’ny 31 desambra, etsy amin’ny Espace Mirah Ambatomaro. Samoëla hizara ny vazony, fa ny orikesitra Tana Group kosa no hiantoka ny fampandihizana sy ny fanafanana ny fotoana. Ireto farany izay miditra amin’ny fankalazana ny faha-10 taona tao anatin’ny fanafanana lanonana isan-karazany ihany koa.
Zo ny Aina