Niaka-peo ny ankamaroan’ireo mpandraharaha vaventy, ny mpanangom-bokatra ary hatramin’ny tantsaha madinika mpikirakira ny fihariana jirofo sy kanelina. Fototr’io fahatezeran’izy ireo io ny nandanian’ny solombavambahoaka, tsy nisy fitsipahana, ny fampitataovana indray ny hetra hampidirina amin’ny fihariana fanondranana vokatra jirofo sy kanelina. Handoavan-ketra 3% ho an’ny mpandraharaha hanondrana vokatra any ivelany, raha 5 % isany avy kosa ho an’ny mpanangom-bokatra sy ny tantsaha ho an’ny jirofo voany. “Aminay dia fihemorana, mihemotra any amin’ny 30 taona lasa isika ary mitsipaka ny fifanarahan’ny Genèva, ny taona 1993 tamin’ny alalan’ny fifanarahana “CAVAGI” (Canel Vanille Girofle)», hoy ny loharanom-baovao.
Tsy voahaja, araka izany, ho azy ireo ny fahalalahan’ny fifanakalozana sy fanondranana vokatra jirofo, vanila ary kafe tsy misy fanelingelenana. Ity farany izay lazaina fa hanomboka hihatra amin’ny janoary 2023.
Mahatsiaro ho voatosi-bohotanana
Ho an’ny tantsaha maromaro mpamboly sy mpanangom-bokatra jirofo niresahana, saika manome tsiny ireo depiote voafidy tamin’ny distrika amorontsiraka rehetra izy ireo. «Maro an’ isa ireo depiote avy amin’ny distrika amorontsiraka mamboly jirofo, kanelina ary kafe, ka nahoana tsy niaro an’ ity tataon-ketra vaovao ity», hoy ny solontenan’izy ireo. Midika famonoana ny tantsaha toy ny nanaovana ny fihariana lavanila sy kafe ity hampiharina amin’ny sehatry ny famokarana jirofo sy kanelina ity, ho azy ireo, ka hanaovany antso avo amin’ny tomponandraiki-panjakana.
Sajo/Tsiferana R.