Tselatra

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora avokoa ireo lehilahy miisa enina voatondro ho nangalatra vy tamina « pilone » mitondra tariby « haute tension » ny orinasa Jirama teny Behintsy –Ambohimangakely, ny alakamisy teo. Tsiahivina fa noentin’ireo jiolahy tamina sarety ireo vy halatra saingy nisy nahatsikaritra. Nampandre ny zandarimaria ny fokonolona ka tratra tamin’izay ireo mpangalatra.

Partager sur: