Ankizilahy roa 15 sy 16 taona tratra nangarom-paosy sy nisoloky tao Toamasina, omaly antoandro. Ny polisin’ny BFP (Brigade feminine de proximité) Toamasina no nahasambotra azy ireo taorian’ny fanenjehana. Ankizilahy 12 taona no niharan’ny asa ratsin’izy ireo. Ny iray mandrahona, ny iray kosa maka ny zavatra ao anaty paosy sy ny finday eny an-tanany. Afaka niantso vonjy ihany anefa ilay niharam-boina ka nandray ny andraikiny ireo polisy vehivavy nahita izany. Noraisim-potsiny izy roa lahy. Tsy vitan’izay fa misoloky amin’ny resaka finday koa ry zalahy ireto. Mody mivarotra finday izy ireo ka rehefa raikitra
ny fifampivarotana, roboka ilay olona dia ataony indray izay tsy maharaikitra azy. Mandritra izany, atakalon’izy ireo baoritra mitovy amin’ny finday ka tsy hitan’ilay olona hividy izany.
J.C