Nodorana nanoloana ny biraon’ny sefo distrika tao Vangaindrano ireo rongony 22 kilao, omaly maraina. Tratran’ ny zandary tany anaty ala Agnandrembahy, fokontany Morondava, kaominina Nosifeno Midongy Atsimo, ny 11 desambra teo, ireo zava-mahadomelina ireo. Voarohirohy tamin’io ny lehilahy 20 taona iray nitondra gony roa feno rongony. Natolotra ny fitsarana izy io taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana tany Atsimo Atsinanana. Nogiazana tao amin’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Midongy ny zava-mahadomelina hatramin’ny omaly ka izao nodorana izao. Nanatrika izany, ny solontenan’ny manam-pahefana any an-toerana. Nahitana ny lehiben’ny distrika Midongy, ny ben’ny Tanànan’i Nosifeno, Andranolalina ary Ankazovelo, ny sefo fokontany. Hanamafy ny ezaka ataon’ny fanjakana momba ny ady amin’ny zava-mahadomelina ny lehiben’ny distrika Midongy. Niandraikitra ny raharaha ny zandary ao Atsimo Atsinanana.
Mino (Mpianatra Asa)