Ambohimitsimbina : jiolahy nahatrarana basy sy bala roa

Nisento tokana indray ny mponina teny Ambohimitsim­bina taorian’ny fahatraran’ny polisy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo ireo jiolahy raindahiny, omaly atoandro. Isan’ireo jiolahy nampitondra faisana teny Ambohimitsimbina sy ny ma­nodidina iny ry zalahy ireto, araka ny tatitra nampitain’ny polisy. Malaza ratsy amin’ny halatra miharo herisetra sady mampiasa fitaovam-piadiana. Manoloana izany, maro ny fitarainana voarain’ny polisy momba ny fisian’ireto jiolahy ireto. Nisy araka izany ny paikady manokana napetraky ny polisy miandraikitra iny faritra iny mba hisian’ny fandriampahalemana. Name­tra­ha­na polisy nanao fanamiana sivily mivezivezy amin’ireo toerana ahina ho fieren’ireo jiolahy sy fanaovany ny asa ratsiny. Nahitam-bokany iza­ny, vehivavy iray no narahina jiolahy roa teo Ambohimi­tsimbina. Tsikaritr’ireo polisy efa niatrana teny an-toerana anefa izany ka noraisim-potsiny ry zalahy. Nahitana basy revolver iray sy bala roa teny amin’izy ireo nandritra ny fisavana.

Jean Claude

Partager sur: