Ambovombe : nodorana ireo fanafody lany daty 134 boaty

Hiarovana ny ain’ny mpan­jifa, nodoran’ny eo anivon’ny ny Talem-paritry ny Indostria, varotra, sy fanjifana (DRICC) Androy, ny fanafody tao anaty boaty 134, tao Ambovombe, ny 26 desambra 2022. Nandritra ny fanentanan’ny tompon’andraikitra tao an-toerana sy ny fanaraha-maso nataon’izy ireo, nandraisana fepetra manokana ireo fanafody ahina hiparitaka eny amin’ny mpividy. Ani­san’ireo tratra ny « calcium carbonate, anasica, ciprofloxacine, metrocoopramide, erythromycine, cloxipa, paragesic, aldomet, azic beclate ». Nahitana ireo karazam-panafody hanomanana tsindrona ho an’ny marary efa lany daty koa tao an-toerana. Nogiazana avokoa ireo fanafody ireo ka nentina nodorana tany amin’ny renivohi-paritra. Tsy nijanona teo, nanara-maso ny vidin’entana sy ny daty azo anjifana azy ireny teny anivon’ny tsena koa ny tompon’andraikitra hisorohana ny fanararaotana.

Tsiferana Randriatiana

Partager sur: