Andriamiarisoa Daniel: “Samy afa-maneho hevitra ny rehetra”

“Amin’ny antoko Mada­gasikara ho an’ny Malagasy tarihiko, samy afa-maneho hevitra avokoa na ny mpanohitra na ny fitondram-panjakana na ny olom-pirenena satria tany demokratika i Ma­dagasikara”, hoy ny filohan’ny antoko Madagasikara ho an’ny Malagasy(MHM), Andriamiarisoa Daniel, manoloana ny fangatahana ny mpanao politika etsy sy eroa ny tokony hisian’ny fiatoana na fitoniana politika mandritra ny fety fankalazana ny Noely sy ny taom-baovao.

Matoa misy mangataka hoe aleo hasiana fiatoana politika, zava-dehibe ho an’ilay olona mangataka izay zavatra izay. Misy koa anefa miteny hoe aleo tsy hasiana an’izany fiatoana politika izany, misy zavatra maharary azy loatra, angamba. “Ho antsika mpanao politika, tsara ihany tokoa raha hasiana fandeferana kely amin’ny maha mpanao politika: aleo aloha mba hisy filaminana kely ny olona, dia ho hita eo indray ny aori­an’ny fety sy ny taom-baovao”, hoy izy.

Tsy mandiso izay te hanao fiatoana politika izy, tsy mandiso koa an’izay tsy manaiky an’izay satria efa mety maharary loatra koa ny mahazo azy, angamba. Tokony havela hamita ny fe-potoam-piasany ny fitondram-panjakana, ary hirosoana ny fanatanterahana fifidianana amin’ny taona
ho avy.

R. Nd.

Partager sur: