Ho kandidà filohan’ny Repoblika amin’ny fifidianana manaraka eo ny filoha nasionalin’ny antoko Tsara Tahafina, i Paraina Auguste, araka ny fanambarana ampahibemaso nataon’ny antoko tarihiny, tany Vangaindrano, tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Tamin’izany rahateo no nanambarana ny fijoroan’ny antoko politika Tsara Tahafina. Fantatra fa tamin’ny 14 desambra lasa teo no nahazo fankatoavana tany amin’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana ny antoko, izay misafidy ny demokrasia liberaly ary manasongadina ny hoe fakan-tahaka sy ny fahaiza-mitantana ary ny fanjakana tan-dalàna. Filamatry ny antoko ny hoe: “Repoblika mendrika, ara-drariny sy tompon’andraikitra”.
“Hifantoka betsaka amin’ny fiainan’ny tantsaha sy ny fiainan’ny ambanivohitra ny ezaka amin’ny fampandrosoana, izay vao hiakatra ity firenena ity”, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko, ny solombavambahoaka voafidy tany Vangaindrano, Raharisoa Johasy Eléonore, tamin’izany. Ankoatra ny sehatry ny fampianarana, anisan’ny imasoan’ ny antoko koa, ohatra, ny fandrindrana ny faritra. Izay no hampisy Repoblika mendrika, ara-drariny sy tompon’andrikaitra. Tokony hitovy tantana ny faritra rehetra, ary hasongadina amin’izany ny faritra manana ny fizakan-tenany sy manana fahefana eo an-tanany.
R. Nd.