Mampiahiahy fa toy ny trangan’aretina pesta no nahafaty ireo olona roa ao Ikalamavony. Tsy mbola voaporofo anefa izany fa manohy ny fitiliana sy ny fanadihadiana ireo tompon’andraikitra eny ifotony.
Nisy olona roa namoy ny ainy vokatry ny trangan’aretina mampiahiahy tao amin’ny tanànan’Ambalamanantsara, fokontany Ivozona, kaominina Mangidy ao amin’ny distrikan’ Ikalamavony, ny talata teo, raha ny tatitry ny zandarimariam-pirenena any an-toerana.
Toa miendrika valanaretina pesta ny fahavoazana sy ny trangan’aretina niseho tao, raha ny tombana vojimaika nataon’ireo tompon’andraikitra ifotony. Nahitana fivontosana ny helika havia sy havanana tamin’ireo olona maty ireo. Raim-pianakaviana 27 taona sy tovovavy 15 taona ireo namoy ny ainy.
Nidina nijery ny tranga nisy ny tomponan’draikitra eo anivon’ny fahasalamana niaraka tamin’ny zandary telo ary ny solontenan’ny Médecin inspecteur avy any Ikalamavony. Teo koa ny ben’ny Tanàna sy ny tompon’andraikitry ny boriborintany ao Mangidy.
Noraisina avy hatrany ny fepetra ka nizarana fanafody ireo olona miisa 195 nifanerasera tamin’ireo maty ireo hisorohana ny mety hiparitahan’ny aretina. Nofendrahana fanafody ihany koa ny trano nisy ireo faty sy ny manodidina rehetra.
Nalevina avy hatrany anaty fasana tsy mbola nandevenana ireo olona roa maty ireo ialana amin’ny fihanaky ny aretina tampoka raha sanatria mitombona ny ahiahy amin’ny maha pesta ny aretina nahafaty azy.
Nentanina ny mponina hanadio ny tanàna, indrindra hanala ny lobolobo ary tsy hanary poti-tsakafo izay mety hitarika voalavo, mpitondra ny valanaretina .
Mbola mitohy ny fitiliana sy ny fanaraha-maso akaiky ity tranga ity, araka ny tatitry ny zandarimariam-pirenena any an-toerana hatrany. Hoporofoina na pesta na zavatra hafa no nahatonga ny fahafatesana.
Tetsy andaniny, nilaza ny solombavambahoakan’Ikalamavony, Raharimampionona fa toerana lavitry ny tanàna, lavitry ny toeram-pitsaboana no misy ny fokontany Ivozona. Tanàna mampisaraka ny distrikan’Isandra sy Ikalamavony no nahitana ity aretina namono olona ity. Mananosarotra ny mponina ny fandehanana mitsabo tena raha misy tsy fahasalamana noho ny fahalavirana.
Tatiana A