Nitondra fanazavana ny tale lefitry ny CrouA, Ravonjison Tamby, omaly, teny Tsimbazaza, mikasika ny fanenjehana ny tale amin’ny fiarovana ny faritry ny oniversite. Notoriana ny mpitantana ny CrouA fa nolazaina fa nanao fanimbana fananan’olona.
Nanamarika anefa izy ireo fa fanakanana ny fananganana fotodrafitrasa tsy ara-dalàna mba tsy hiorina ao anatin’ny faritry ny oniversite no natao. Mbola eo an-dalam-panorenana no nosakanana tamin’ny fomba rehetra ireo mpanao raharaha. Nogiazana ny fitaovana, ny talata 29 novambra, rehefa niziriziry hanangana ny fotodrafitrasa ireo olona efa nanaovana fampitandremana ireo.
Nandritra izany anefa no nahazoan’ny talen’ny CrouA fandrahonana sy faniratsirana ary ompa teo am-panatanterahana ny asany. Nisy avy eo ny fametrahana fitarainana teny amin’ny fitsarana ka hiampangana ny tale ho nanimba fananan’olona.
Omaly dia nanamafy ireo mpiasan’ny CrouA fa mijoro hatrany amin’ny fanatanterahana ny andraikitra manoloana ny fingana sy ny fandrika tian’ny sasany hatao izay misy tsy rafesi-mandidy sy te hampanjaka ny gaboraraka ao.
Tsy manana taratasy fahazoan-dalàna manorina akory ireo olona fa manao anterisetra. Ny CrouA tsy manana fahefana mivarotra na manome alalana amin’ny fanorenana. Olona tsy fantatra satria tsy mpiasan’ny oniversite , tsy mpiasan’ny CrouA ireo manao fanorenana tsy ara-dalàna. Efa nandefa ny tatitra amin’ny antanan-tohatra ny tompon’andraikitra.
Tatiana A