Faran’ny taona: mila mailo amin’ny sakafo

Nanamafy ny fiarovan-tena tokony hataon’ny rehetra ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, tamin’ity herinandro ity, amin’izao ankatoky ny fety izao. “Maro rahateo ireo aretina sy loza mpiseho rehefa vanim-potoanan’ny fety tahaka izao ka samy tompon’andraikitra amin’ny fahasalamany avy ny tsirairay”, hoy izy.
Anjaran’ny mpiasan’ny fahasalamana kosa ny manao izay azo atao rehetra hanampiana ny olona amin’ny fisorohana sy manao ireo fanentanana rehetra mifandraika amin’izany ary hitsabo raha toa ka ilaina.
Ao anatin’izay fanamafisana ny fisorohana ny loza ara-pahasalamana izay dia nanentana ny rehetra ny minisitra mba samy hanamafy ny fiarovan-tenany avy amin’ny alalan’ny fampiharana ireo fihetsika sakana sy fanarahana ireo toromarika ara-pahasalamana.
Ankoatra izany, ny fitandremana amin’ny lafiny sakafo sy ny zava-pisotro mahamamo, isorohana ny fahapoizinana ara-tsakafo sy ny “coma éthylique” izay mateti-piseho amin’ny vaninandro fety toy izao.
Fotoanan’ny fifampiarahabana sy ny fitangoronana ihany koa ny fety na eny amin’­ny fiarahamonina na ao amin’ny fianakaviana na any am-piangonana. Mila hajaina ny fepetra sakana rehetra sy ny fitondrana arovava orona mba tsy hiparitahan’ny aretina samihafa.

Tatiana A

Partager sur: