Nivaly kosa ny roa taona tsy niasana ! Tamin’ity angamba no maro indrindra ny mpanakanto malagasy hanafana ny fetin’ny faran’ny taona any ivelany, indrindra ao Frantsa.
Tafaverina amin’ny laoniny ny fiainan’ny mpanakanto mpanao mozika. Marina fa tsy izy rehetra no niarina taorian’ny niainana ny valanaretina, saingy azo ambara kosa fa efa niverina tanteraka ny tsenan’ny mozika tamin’ity taona ity. Mbola manaporofo izany ny hamaroan’ireo fety isan-karazany entina hamaranana ny taona 2022 sy handraisana ny 2023.
Maro toraka izany ireo mpanakanto izay nantsoin’ ireo mpikarakara ny “fety gasy”, any ivelany. Ao Frantsa ny ankamaroany, saingy misy ihany any Soisa, Belzika, Italia, sns.
Fantatra fa nisy ireo tafara-dalana tanaty fiaramanidina ka efa any an-toerana nanomboka omaly. Anisan’ ireny ny tarika Vôkn’Inn ahitana an’i Gothlieb, Lilie ary Luk. Hanafana ny fotoana ao Avignon izy ireo, hiaraka amin’ i Joy J, Yaxx ary Laza izay efa any an-toerana.
Eo koa ry Mbola Talenta, Inah, Mirana ary Fanilo Poppin’s. Fiverenana noho ny fangatahan’ny mpankafy tany, ka anjaran’i Marseille indray no handray azy ireto.
Fety marososona, misy isafidianana kosa ny ao Paris. Miavaka indrindra amin’izany ny an’i Njakatiana sy ny Macadence Orcherstre, ao amin’ny Hilton Roissy, satria dia efa tapitra omaly avokoa ny tapakila rehetra. Soa fa mbola eo ny fety mafana miaraka amin’i Jerry Marcoss, Wada sy Youngs, Arione Joy, Naël, Agrad, Dj Totem ary Teejay Jerry ao amin’ny Millénium Paris. Sasanangy samy hafa na samy mafana kosa aza ny ao amin’ny Salle Firat, Paris hatrany. Ry Dadi love, Mirasoa, Ceasar, Dr love, Sanga Love, Ngiah Tax ary i Jior Shy no hifandimby hanafana ny fotoana. Mbola fiarahan’ny mpanakanto kalaza ihany koa ny ao amin’ny Les Pyramides, Paris hatrany. Ny ekipan’ny Makua manontolo, tarihin’i Shyn sy Denise, ahitana an’i Boy Black, L Jo, Shadow Bangz, Gaei, Dj Skull ary Rick Ricko no manome fotoana ireo mpankafy amin’izany.
Ankoatra ireo, mbola misy an-dry Fenoamby sy Dah Mama any La Rochelle, Salle l’Oratoire. Ny Gasy Band ahitana an’i Poop, Rolly, Jimmy Harisson ary i Tojo ao amin’ny sale Socio-Culturelle any Cruseilles. Any Saint Ange kosa ry Rivera sy i Bilo.
Misy koa ny fety ivelan’i Frantsa, toa ny fiarahana amin’i Elodie, Anderson Jaojoby ary Charline Mboty any Rome, Italia. Toraka izany ny fiarahana karakarain’ny Fimpima Suisse, iarahana amin’i Rija Ramanantoanina sy ny Mihiray Groupe. Manan-tsafidy maro, araka izany ireo Malagasy mipetraka any an-dafy sy izay rehetra mankafy ny mozika Malagasy.
Nangonin’i Zo ny Aina