Nalefa nihazo ny hopitaly ao Fianarantsoa ny roa tamin’ireo olona efatra tra-doza omaly tamin’ilay fiaran’ny Fondation médicale Ampasimanjeva, afakomaly. Ny iray tamin’ireo masera voa mafy tsy nahatsiaro tena kosa nalefa nihazo ny renivohitra raha nijanona nanohy ny fitsaboany ao Manakara kosa ny iray hafa.
Tsihivina fa tra-doza teo amin’ny 10 km tsy hidirana an’i Manakara ny fiara tsy mataho-dalana nitondra ireo olona miisa sivy tao anatiny rehefa avy namonjy fotoam-pivavahana tao Vohipeno. Tsy tafiodina teo amin’ny kihon-dalana ilay 4×4 ka nivarina ankady ary nidona mafy tamina hazo kininina. Vokany, maty teo no ho eo ny dimy tamin’ireo mpandeha. Isan’izany ireo dokotera mivady miasa ao amin’io “fondation médicale Ampasimanjeva” io, ny masera roa niaraka taminy ary ny pretra iray namily ny fiara. Fantatra fa nandrasana tao amin’ny paroasy Tanambao ieo vata-mangatsiaka rehetra taorian’ny loza.
Henintsoa H.