Fitrandrahana volamena : tsy ho sakanana ny vahoaka madinika

Ahitana toeram-pitrandrahana harena an-kibon’ny tany vaovao ao amin’ny distrikan’i Mandritsara, faritra Sofia. Voalaza fa volamena no mora trandrahina amin’izany toerana izany, fa eo koa ireo karazana vato sarobidy hafa sy vato indostrialy.

Nitodika manokana tamin’ny mponina any an-toerana ny solombavambahoakan’i Mandritsara, Rasolomanana Olivier, momba ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny fanavakavahana. « Tsy misy mahita filaminana amin’ny toerana tsy misy fandriampahalemana, ary iray ihany ny Malagasy na avy aiza na avy aiza ka tsy tokony hanilikilika ny hafa », hoy ny depiote.

Hafatra napetrany koa ny hoe : « aoka ny vahoaka madinika tsy ho sakanana hitrandraka raha mihevitra ny hampiditra ny vaventy ny mpitondra fanjakana. Hitsiva­la­nanay raha sanatria misy mihevitra izany .»
Tombontsoa iombonana ka tsy hakatona ho an’ny vahoaka madinika ny toeram-pitrandrahana. Asa sy fidirambola vaovao izany, manomboka amin’ny isam-batan’olona hatrany amin’ny fanjakana foibe. Tokony ho ara-dalàna nefa ny ambaratonga rehetra amin’izany.

Ndrina

Partager sur: