Miroso miandalana ny fanamboaran-dalana RN54 Mahajanga tanàna, mihazo ny eny amin’ny seranam-piaramanidina, Amborovy. Efa maherin’ny 35% ny fahavitan’ny asa amin’izao fotoana izao. Izany hoe eo anelanelan’ny Galana Tsaramandroso sy “Ponceau” fiviliana mihazo ny any amin’ ny Mazava huile.
Samy ahitana izany fanamboaran-dalana izany avokoa, miainga eo amin’ny Jirama , Amboboka. Hatao “Chaussée en béton légèrement armé” ireo lalana ireo, raha ny nambaran’ny teknisianina manao ny asa any an-toerana. Misahana izany kosa ny orinasa Efam ary mamatsy vola ny eo anivon’ny Tahiry ho an’ny fanamboaran-dalana “Fonds Routiers”.
Potika sy simba tanteraka ireo lalam-pirenena rehetra
Tsiahivina fa anisan’ny toerana maro mpizahatany ny ao an-dRenivohitr’i Boeny. Ilaina ny fanamboarana na fanatsarana ny fotodrafitrasa tahaka izao.
Na izany aza anefa, mbola olana goavana ireo lalam-pirenena rehetra, indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Tena efa simba sy potika tanteraka avokoa izany. Anisany ohatra ny mihazo any Toamasina (RN2) sy ny mianatsimo, mihazo ny any Toliary (RN7).
Synèse R.