Hatsikana: hanome fahafaham-po ny mpankafy i Sombiniaina

Hanatanteraka fampisehona hatsikana, ny zoma 30 desambra 2022, eny amin’ny “Food Court – Le Colisée” Ampasanimalo, Ranarivelo Sombiniaina, fantatra amin’ ny anarana entiny miantsehatra hoe Sombiniaina. Hetsika karakaraina trano fisakafoanana iray eo an-toerana Ha­nom­boka amin’ny 3 ora tolakandro ny fampisehoana, ahitana ny seho hatsikana maro nampiavaka sy nahafantarana ity mpanakanto ity hatra­min’izay.

Hianoka seho hatsikana hataon’i Sombiniaina irery ny mpankafy azy, ao anatin’izao fiafaran’ny taona izao. Tao­rian’ny fampisehoana natao teny Mandrimena, ity no fampisehoana hanomezana fahafaham-po ny mpankafy, izay tsy afaka nankafy izany. Azo ambara ihany koa fa seho entina manakatona ny taona ho an’i Sombiniaina sy ny mpankafy azy. Amin’ny teny malagasy avokoa ary natao ho an’ny rehetra ny fampisehoana. Haharitra ora iray sy 30 minitra eo ny fampisehoana.

Ity mpanao hatsikana malagasy ity, izay ao anatin’ny fanomanana ny “Prix RFI talents de rire 2022”. Fi­fa­ni­nanana natao ho an’ny mpanao hatsikana aty Afrika sy ny ranomasimbe Indianina ary ny faritra karaiba. Misolo tena ny Malagasy ao anatin’izany i Sombiniaina.Voafidy ho isan’ny 10 mandray anjara ao anatin’izany izy, ary sambany no nisy Malagasy voafantina hiatrika izany fifaninanana izany. Fifaninanana atao any Abid­jan, Cote d’Ivoire ny 10 febro­ary hatramin’ny 13 febroary 2023.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: