Ihorombe : roa lahy nahatrarana rongony 12 gony

Voasambotry ny zandarimariam-pirenena ao Iakora, distrikan’Ihorombe ny lehilahy roa nitondra rongony, afakomaly. Nahazo loharanom-baovao tamin’ny olona tsara sitrapo ny lehiben’ny zandary ao an-toerana, ny 22 de­sambra lasa teo. Voalaza fa misy andian’olona maromaro milanja rongony any, ka handalo ao amin’ny kaominina. Nandray fepetra avy hatrany ny mpitandro filaminana vantany vao nahare ny vaovao. Nahetsika avokoa ireo zandary tao an-tanàna mba hanao fisafoana sy ny fanakanan-dalana. Nandritra izany, nahita olona miisa fito nitondra gony 12 isa tao amin’ny fokontany Anjezika, izy ireo. Nandositra ireto andian’olona ireto vao nahita ny mpitandro filaminana ka raikitra ny fifanenjehana teo amin’ny roa tonta. Vokany, voasambotra ny lehilahy roa tamin’izy ireo, niaraka tamin’ny gony 12 isa. Tafaporitsaka tamin’ny fifanjevoana ireo namany hafa miisa dimy. Nahitana rongony nilanja 240 kilao tao anatin’ireo go­ny rehefa natao ny fisavana. Nogiazana ao amin’ny to­bim-paritry ny zandarimaria Iakora ireto zava-mahadomelina ireto amin’izao. Atolotra ny fitsarana kosa ireo voasambotra aorian’ny fanadihadiana. Mbola mitohy ny fi­ka­rohana ireo namany tafatsoaka. Nohamafisin’ny lehiben’ny zandarimaria any an-toe­rana ny toromarika amin’ ny fiambenana ny kizo rehetra, mety hivoahan’ny rongony ao amin’ny faritr’Iho­rom­be.

Mino ( Mpianatra asa)

Partager sur: