Notanterahina tamin’ny 24 desambra lasa teo, tao amin’ny Kaominina Ambositra, ny fizarana fitaovana ho an’ireo fikambanana mpiompy trondro. Lanonana izay natrehan’i Mahatante Paubert, minisitry nyJono sy ny toekarena manga. Fikambanana mpiompy trondro miisa 10 eo no nisitraka izany. Fitaovana toy ny “moto-pompe”, “brouette”, “tuyau” ary sakafon-trondro, no nomena azy ireo tamin’izany.
Ny hetsika dia natao hanatsarana hatrany ny velon-tenan’ireo mpiompy trondro sy hanatanterahina ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Naneho ny hafaliany avokoa ireo olona nisitraka tombontsoa, ka nisy solontenan’izy ireo nanolotra fisaorana sy fankasitrahana ny ministeran’ny Jono sy ny toekarena manga.
Marihina fa vokatry ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka, toy ny fikambanana misahana ny fampivoarana ara-pambolena (FDA), ny tetikasa Ampiana2, ary ny Fihariana no nahafahana nanao izao hetsika izao.
Fitia (Mpianatra asa)