Maty voatifitra omaly ilay malaso ikoizan’ny maro ao Maevatanana. Malaza ratsy amin’ny halatr’omby ny lehilahy ka saika handositra raha izy nanondro ny toerana misy ireo namany mpiara-dia aminy.
Tapitra hatreo ny halatr’omby fanaon’i Dadaky, ilay dahalo mampitondra faisana ny mpiara-belona aminy ao amin’ny kaominina Mahatsinjo, distrika Maevatanana. Maty voatifitry ny zandarimaria, omaly, izy raha iny nanararaotra nitsoaka iny.
Ny talata teo, nahazo antso mahakasika azy ireo zandary avy ao Mahatsinjo. Vokany, voasambotra ny lehilahy sy ny jiolahy iray hafa mpiara-dia aminy. Fantatra taorian’ny fanadihadiana fa isan’ireo dahalo mpangalatr’omby efa nifampitadiavana hatry ny ela i Dadaky. Efa voasambotra tamin’io asa ratsiny io izy saingy nahazo fahafahana vonjimaika rehefa niakatra fampanoavana. Tamin’ity indray mitoraka ity, tsy afa-niala intsony ny lehilahy. Nandritra ny fanadihadiana natao azy, nambarany fa any Antsahamenarana any andrefan’i Mahatsinjo ny toerana misy ireo namany tafaporitsaka. Araka izany, nidina vao mangiran-dratsy tany amin’io toerana voalaza io ny zandarimaria, nitondra an’ity dahalo kalaza ityhanoro ny toerana . Teny an-dalana, nifanojo tamina dahalo hafa nirongo basy ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fifandonana. Tetsy ankilany, nanararaotra ny itsoaka i Dadaky. Natao ny tifi-danitra hanajanonana azy saingy nanohy ny diany hatrany ny lehilahy ka voatery nitifitra azy ny zandary. Lavo nandritra izany ny tenany. Taorian’izay, natolotra ny fianakaviany ny vata-mangatsiakany rehefa avy nojeren’ny mpitsabo. Mitohy kosa ny fisamborana ireo namany.
Henintsoa H.