Malagasy : ambany loatra ny fahefa-mividy

Araka ny fanadihadiana natao, ambany ny fahefa-mi­vidin’ny Malagasy maro an’isa. Salanisa amin’ny karama 141, 43 euros. Misy elanelana 93 % ny an’i Mada­gasikara sy Frantsa eo amin’izay salanisa amin’ny karama izay. Midika izany fa maro an’isa ny kely fidiram-bola sy mahantra amin’ny Malagasy, singa mam­pahazo vahana ny kolikoly, halatra isan-karazany,ny tsy fandriampahalemana.
Amin’ny ankapobeny, be ny fandaniana noho ny vola miditra, araka ny toerana mi­sy. Ny vidin-javatra koa toy izany , araka ny toerana misy. Ny andaniana be indrindra dia ny hofan-trano, Jirama, fitaterana, ireo zavatra ilaina andavanandro (PPN) raha toa ka tratra, fampianarana amin’ny ambaratonga rehetra. Ny fitsaboana sy fanafody mipetraka ho baraingo raha toa ka tsy salama. Fandaniana hafa, ohatra, ny hametrahana zazakely (crèche), sns.
Maivana ny vola Ariary (hatramin’ny 2004) raha oharina amin’ny euro. Miaka-midina ny lanjam-bola.

Ndrina

Partager sur: