Tsy mba nanao «fety» ny Malagasy fa nanatanteraka lanonana. Fotoana nanehoana ireo fomba amam-panao heverina fa hampirindra hatrany ny fiarahamonina sy ny fifandraisany amin’Ilay Nahary. Saika vanim-potoana napetraky ny vahiny avokoa ny ankamaroan’ireo hanatanterahina «fety» ankehitriny. Na izany aza, fanararaotra ny tahaka izao fankalazana ny taom-baovao gregorianina izao.
Fifanazavana, fifamelana, fanomezana tsodrano, fanehoana firaisankina, fifanomezana toky, fifanomezan-kasina… Tsy zava-baovao amin’ ny malagasy ireo fa somary hadino tato ho ato ny fisiany. Saron’ireo zava-manjelatra ety ivelany ka tsy mahatazana ny tena fototra. Ny tonon-taona tahaka izao ihany koa no ahafahana mamoha sy manoro ary mampita ny fomba amam-panao, ny kolontsaina, sns, mampiavaka ny Malagasy. Mila fitandremanana fatratra anefa ny fanatanterahina izany mba tsy ho diso ny zavatra ampitaina. Ny raiamandreny no manana adidy lehibe voalohany amin’ny fampitana fahalalana !
HaRy Razafindrakoto