Ramatoa iray mpandeha tamina taksiborosy, mampitohy ny renivohitra sy Morondava no tra-doza, omaly. Tsy nahatsiaro tena tampoka izy tokony ho tamin’ny 07 ora maraina, teo amin’ny 20 km tsy hidirana an’i Miandrivazo. Noentina haingana nihazo ny hopitaly tao an-toerana ilay ramatoa. Indrisy nefa fa tsy tana intsony ny ainy. Fantatra fa mipetraka ao Andakabe, Morondra izy ka nampandrenesina ny vaovao ireo havany. Nolazaina ihany koa izy ireo haka ny vata-mangatsiakany. Tsiahivina fa efa nisy tranga toy izao koa iray volana lasa izay. Ramatoa iray 55 taona no namoy ny ainy tao anaty taksiborosy avy any Ihosy hihazo ny renivohitra. Ny 23 novambra teo tokony ho tamin’ny 04 ora sy sasany maraina teo ity tranga mampalahelo ity. Naka rivotra fohy tsy lavitra ny tetezana teo Ambohimandroso ny mpamily sy ny mpandeha rehetra. Tsy nihetsika anefa ilay ramatoa fa nijanona teo amin’ny toerana nisy azy. Nanaitra ny maro ny fihetsiny ka nojerena. Indrisy fa efa tsy nisy aina intsony ilay ramatoa 55 taona tamin’izay.
Henintsoa H.