Pretra Andrianjava Serge : “Aza avela ho an’ny mpanao politika ihany ny raharaham-pirenena”

Hisy ny fifidianana amin’ny taona ho avy. Aiza ho aiza ny fanomanana ny fiatrehana izany? Maneho ny fijeriny ny mpandinika, ny pretra Andrianjava Serge: “Aza avelantsika ho an’ny mpanao politika ihany ny raharaham-pirenena”.

“Aza avelantsika ho an’ny mpanao politika ihany ny raharaham-pirenena. Ny fiainam-pirenena dia isika manontolo na aiza na aiza ny toerana misy antsika, na aiza na aiza fiavintsika, na inona na inona sokajy misy antsika: ho antsika rehetra tsy ankanavaka ny raharaham-pirenena.” Io ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, izay Conseil du fampihavanana malagasy (CFM) teo aloha, ny pretra Andrianjava Serge, manoloana ny fiatrehana fifidianana amin’ny taona ho avy.

Izay no anentanana ny olona eny ifotony handray anjara amin’ny fifidianana. Omen-danja ny fifidianana, satria io ny fomba demokratika ahazoana mitondra ny firenena iray. Raha sanatria tsy miditra na tsy mandray anjara amin’ny fifidianana isika, manjary mihemotra ny demokrasia eto Madagasi­ka­ra. Ny fanarenana an’izay dia ny soatoavina maha malagasy antsika mifantoka amin’ny fifanajana.

Misy aretina mikiky amintsika samy Malagasy

“Eto amin’ny firenentsika rehefa manakaiky ny fifidianana, miseho hatrany ny karazana savorovoro, fihantsiana; indraidray, zavatra mety mampisara-bazana ny samy Malagasy. Manambara izany fa misy aretina mikiky amintsika samy Malagasy”, hoy izy.Tsy tokony hohamaivanina izay. Tsy tokony hatoritory na mandrimandry ma­nana aretina amin’izay lonilony izay, na ara-tantara na ara-piarahamonina na ara-toekarena, indrindra amin’ny lafiny politika.

“Mandala fihavanana isi­ka, nefa indraindray tsapa fa hoe tsy mifampatoky”, hoy ihany izy. Na eo amin’ny samy mpitondra izany, na eo ny amin’ny vahoaka sy ny mpitondra, na ny eo amin’ny samy vahoaka… Mitoetra izay tsy fifampitokisana izay. Na eo amin’ny lafiny toekarena izany, eo amin’ny lafiny soatoavina maha Malagasy, eo amin’ny dinam-piarahamonina, ny tsy fandriampahalemana izay voizina mandrakariva sy itadiavan’ny sasany hevitra hanakorontanana ny firenena…

Ny fifidianana ihany no antoky ny demokrasia

“Ny fifidianana ihany no antoky ny demokrasia”, hoy hatrany izy. Tsy afa-misaraka amin’izany ny fametrahana soatoavina malagasy sy ny fanabeazana olom-pirenena ho vanona.

Voalohany, tsy maintsy manara-dalàna avokoa mba hisian’izay fifampitokisana amin’ny fifidianana izay. Na ny mpitondra na ny entina izany, na ny eo amin’ny fitondrana amin’izao na ny mpanohitra… Mila manaiky ny lalàna ifampihefezana ny rehetra.

Raha ilaina aza, misy dina ifanaovana na sata amin’ny fitondran-tena tsara. Manaiky ny mpanao politika amin’izay zavatra hotanterahina ka hifanekena. Mety sarotsarotra izay, nefa tokony hatao. Efa natao ihany izay tamin’ny fifidianana teo aloha, fa tsy nanankery firy ka tsy naho­an’ny olona. Amin’izao fifidianana ho avy izao, tokony ho mafimafy izay sata amin’ ny fitondran-tena tsara izay. Na iza na iza kandidà eo, tokony hanaiky hanao sonia an’izay dina na sata izay. Ny FFKM, ohatra, na ny firaisamonina sivily no mamolavola izay dina ifanekena izay, ary hanaovana fanambarana am­pa­hibemaso fa hanaraka izay dina na sata ifampifehezana izay ireo kandidà.

R. Nd.

Partager sur: