Niakatra fampanoavana, omaly, ny raharaha momba ilay mpivarotra rongony mahery vaika tratra teny 67ha afakomaly. Ny talata maraina teo, nahazo loharanom-baovao mahakasika ity lehilahy 30 taona ity ny polisy miasa eny an-toerana. Nisokatra ny fanadihadiana sady nanamarina izany ny mpitandro filaminana. Fantatra nandritra izay ny toeram-pivarotan’ity lehilahy ity zava-mahadomelina . Natao ny vela-pandrika ka voasambotra ny tenany. Niaiky izy tamin’izay fa mivarotra «cocaïne» ary hamidy 50.000Ar ny fonosana 0.5 grama. Misy araka izany ny mpamatsy ity zava-mahadomelina ity ka vidiany 80.000Ar ny 01 grama. Raha ny filazan’ilay voasambotra dia vao herinandro monja no nanaovanay ity asa ratsy ity.
Tsiahivina fa mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny polisim-pirenena manoloana ny firongatr’ity zava-mahadomelina mahery vaika ity. Tsiahivina fa efa nahatratra 448,50kilao ny totalin’ ny “cannabis” tra-tehaky ny polisim-pirenena tamin’ny faritra maro teto amin’ny Nosy hatramin’ny volana janoary teo. Milanja 149,62g kosa ny rongony “héroine” tratra raha toa ka mitotaly 88,6g ireo “cocaïne” sarona tamin’izany. Ankoatra izay, nilaza koa ny polisim-pirenena fa milanja 4,4g ny “métamphétamine” sarona hatramin’ny niandohan’ny taona.
Henintsoa Hani