Olona iray maty, telo naratra mafy! Io no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Ambohimahasoa, omaly. Fiara 4×4 iray latsaka tany anaty hantsana.
Nitrangana lozam-piarakodia nahatsiravina indray teny amin’ny lalam-pirenena fahafito (RN7), tao Ialatsara, fokontany Ampanidinana, kaominina ambanivohitra sy distrikan’ Ambohimahasoa; PK 345 +700, omaly tamin’ny 4 ora maraina. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, fiara 4×4 iray marika Mitsubishi avy any Antananarivo hihazo an’ Ihosy ity tra-doza tampoka ity ka nivarina tany anaty hantsana eo amin’ny 300 metatra eo ho eo. Voalaza fa tratran’ny torimaso fotsy teo ambony familiana ny mpamily ka tsy nahafehy intsony ny familiana. Vokany, nifatratra tany anaty hantsana. Olona dimy no tao anaty fiara. Ny iray maty tsy tra-drano (ankizilahy 14 taona) raha telo hafa naratra mafy. Ankizikely dimy taona kosa no avotra soa aman-tsara. Potipotika tanteraka ny vatan’ny fiara. Nandray an-tanana ny famonjena ireo niharam-boina avy hatrany ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambohimahasoa. Nentin’ny zandary namonjy hopitaly CHU Tambohobe, Fianarantsoa ireo naratra. Naterina ao amin’ny tranom-patin’ny Hopitalibe Ambohimahasoa ny fatin’ilay namoy ny ainy, miandry ny havany haka azy. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary.
Jean Claude