Ambositra : mpivarotra roa maty, jiolahy roa lavo

Nitrangana fanafihana tao amin’ny fokontany sy kaominina Fahizay, distrikan’Ambosi­tra, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo. Notafihana andian-jiolahy nirongo basy tamin’izany ny mpivarotra iray eo an-toerana. Vokany, maty voatifitr’ireo mpandroba ny ra­matoa tompona tsena sy ny le­hilahy iray hafa namonjy voina. Lasan’ireo mpanafika ny vola rehetra sy ny entana maro. Raikitra ny hazalambo vantany vao nahazo antso ny mpitandro filaminana. Omaly vao nangiran-dratsy, nifanehitra tamin’ny zandary tao amin’ny fokontany Talaky ireo olon-dratsy. Voa­sam­botra ny roalahy, azo teny amin’izy ireo koa ny basy miisa telo sy ny sasantsasany tamin’ireo entana voaroba. Teny an-dalana am-pikarohana ireo mpiray tendro tamin’izy roalahy, tafaporitsaka ireto voasambotra. Nanao tifi-danitra hampijanona azy roalahy ny zandary saingy nanohy ny diany hatrany ireto olon-dratsy. Vokany, voatery nitifitra ny mpitandro filaminana ka samy lavo izy roalahy. Ankoatra izay, nisy koa ny jiolahy iray lavon’ny polisim-pirenena raha izy nitsoaka iny. No­entina nanondro ny toerana misy ireo namany ity olon-dratsy saingy saika nandositra koa. Andrasana ny tohin’ny famotorana.

Henintsoa H.

Partager sur: