“Momba ny fivoahan’ny tsiambaratelom-panjakana, ny olana tsy hoe: marina sa tsy marina? Tsy any ny anay no tanjona. Efa misy rafitra natao hanenjika sy hitsara izany. Firenena no resahina, tombontsoa ambonin’ny firenena no jerena”, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Natiora, i Mihari Ni-Rencho, manoloana ny fivoahan’ny tsiambaratelom-panjakana. Misy ny tomponandraiki-panjakana ambony nesorina tamin’ny toerany na voatery nametra-pialana taorian’ny fiparitahan’ny tsiambaratelom-panjakana.
Tokony hofoanana ary tsy hisy intsony izany famoahana ny tsiambaratelon’ny fanjakana izany. Aleo rafitra tsirairay no hamoaka izany. Foto-kevitra ijoroany ny Antoko Natiora: ny politika maha olona, ary manana fijery afovoany sy ny lalàna ihany. Rehefa ao anatin’ny maha olona izany, rehefa feno ny fepetra hoe misitraka feno ny zony ny olona. Tokony hahazo vaovao marina izy. Nefa misy vaovao ao anatin’ny fitantanana tokony hotandrovina tsy avoaka, satria toerana fandalovana ny ao.
R. Nd.