Hitantana ny Antenimieran’ny varotra sy Indostria (CCI) ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, i Razafitianamalala Murielle, taorian’ny fifidianana ny alarobia teo. Nandritra ny fametrahana ireo mpikambana ao amin’ny birao hitantana ny CCI ao an-toerana, nametraka ny fitokisany tamin’ity mpandraharaha anisan’ny manana ny maha izy azy ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana ity. Izy izay filohan’ny «Entreprendre Féminin Océan Indien» na ny EFOI. Ho an’ny ao amin’ny faritra Ihorombe kosa, i Manjarimanana Urbain no lany ho filoha hitantana ny CCI ao an-toerana. Miisa fito ireo mpikambana anatin’io antenimiera io ho azy ireo. Marihina fa notanterahina tao Ihosy ny alarobia 27 desambra teo ny fametrahana ireto birao vaovao ireto notronin’ ireo tomponandraiki-panjakana ao an-toerana.
Tsiferana R.