Dabolava, distrikan’i Miandrivazo : tsy fantatra ny volamena nivoaka nanomboka ny 2019

Tsy mitondra vola miditra ao anatin’ny kaominina Dabolava, faritra Menabe, ny volamena trandrahina ao an-toerana, hoy ny ben’ny tanàna Rakotonandrasana Jeanson. Tsy misy tamberim-bidy ho an’ny kaominina izany, noho izay tsy misy fanarahina izay, ka tsy ahafahana manao tamberin’andraikitra isan-karazany. Ratsy dia ratsy ny lalana ifandraisan’ny kaominina, sekoly tsizarizary …
Tsy hita ny volamena mivoaka ao amin’ny kaominina nanomboka ny taona 2019 hatramin’izao. Tamin’ny 2018 no nahafantarana izany farany, nisy 470 kg. Tamin’io taona io ihany koa no nisy tamberim-bidy farany nahafahana nanao fotodrafitrasa nampanantenaina. Taorian’ izay tsy fantatra ny volamena nivoaka, ny fitrandrahana anefa mitohy hatrany.
«Taloha fantatra mialoha ny vola miditra nahafahana namaritra tetikasa. Tsy misy tanteraka anefa izany ankehitriny na ny karaman’ny mpiasan’ny kaominina manahirana, satria tapaka ny fidiram-bola», hoy ihany ny ben’ny tanàna. Koa miantso ny fanjakana foibe ny kaominina Dabolava, hampanara-dalàna ny fitrandrahana sy ny famarotana volamena. Efa misy rahateo ny fifampiresahana amin’ny minisiteran’ny Ha­rena an-kibon’ny tany.

Ndrina

Partager sur: