Nilaza ny mpamantatra ny toetry ny andro fa hahazo toerana ny rivotra maina sy mafana ho an’ny afovoan-tany sy ny ilany atsinanana manditra ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao.
Saika hitoetra any amin’ny ilany andrefana kosa ny oram-baratra rahampitso mamarana ny taona. Tsy ahiana loatra ny hisian’ny toetr’andro mahery vaika na ny fiforonan’ny rivodoza.
Tombana hanorana tandrifin-drahona arahin-kotroka any Menabe, Melaky, Bongolava, Itasy, Sambirano hatrany amin’ny ilany andrefan’ny Vakinankaratra, Amoron’i Mania ary Matsiatra Ambony.
Hitanin-korana ny afovoan-tany raha ho maina tanteraka ny faritra sisa rehetra. Ny andron’ny Ny alahady voalohan’ny taona kosa hisy sisan’orana tandrifin-drahona ny vao maraina any Boeny sy Sofia. Handrahona na hibaliaka ny masoandro ho an’ny faritra sisa rehetra. Ny tolakandro, ny takariva ary ny alina kosa dia hanoram-baratra ny ilany andrefana manontolo ary mety hanatombo ny rotsak’orana ho an’ny atitanin’Atsimo Andrefana sy Bongolava. Mety hiitatra any Ihorombe sy Matsiatra Ambony kosa ny tandrifindrahona ny alina.
Tatiana A