Lavon’ny polisy, omaly teny Tsiadana, i Davida be, jiolahy isan’ireo nanafika sy namono teratany karana iray tetsy Behoririka, ny herinandro teo. Hita tamin’ny “caméra de surveillance” an’ireo voatafika ny endrik’ity jiolahy ity ka nanamora ny fikarohana azy, hoy ny loharanom-baovao iray. Araka izany, fantatra ny mombamomba azy ka notadivina izy. Omaly, nandeha nanao “baby-foot” teny avaratr’ Antanimora ny lehilahy ary narahin’ny polisy. Tonga teny an-toerana, nasaina nivoaka daholo ny olona rehetra, niditra ny mpitandro filaminana. Nifanjevo tao ny roa tonta, nipoapoaka ny basy, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Vokany, naratra mafy i Davida be ary namoy ny ainy taorian’io. “Tsy misy tsy mahafantatra an’i Davida ny rehetra. Mipetraka eny Ampahibe izy ary malaza mpanao fanafihana mitam-piadina”, hoy ny mpivarotra iray. Nambarany fa tao amin’io toeram-pilalaovana io koa ny roalahy hafa naman’ity jiolahy lavo ity saingy tafaporitsaka. Nohamafisiny fa manana basy ihany koa ireo jiolahy ireo. Tsiahivina fa nandroba teratany karana mivady tetsy Behoririka i Davida sy ireo namany efatra hafa. Maty voatifitra nandritra izay ilay lehilahy teratany karana raha naratra mafy kosa ramatoa vadiny. Fantatra fa vao nivarotra ny tsenany ireto voatafika ka saika hody an-tanidrazana ny volana janoary izao.
Henintsoa H.