Fetin’ny faran’ny taona : miantso fitoniana ny APM

Mendrika sy rariny raha hankalaza sy hanao fety am-pilaminana ny vahoaka, na eo aza ny fahantrana lalina noho ny tsy fisian’ny asa sy ny fahasorenana ateraky ny fahatapahan-jiro ary ireo tsy fandriampahalemana iaianan’ny manerana ny Nosy, araka ny fanambaran’ny biraon’ny An­toko Politika Madio (APM).
Miantso ireo antoko na vondrona politika rehetra mba hampiato sy hampangina ny resaka polotika, ny antoko. Voakasik’izany ny fankalazana ny fahaterahan’ny Mpa­mon­jy sy ny famaranana ny taona 2022. Manentana an’ireo mpanao politika mba hanome hasina ny maha-olombelona ka hampandefitra ny hambompon’ny tsirairay avy koa ry zareo.
Efa nanapa-kevitra ny birao politika fa hangina ary tsy haneho hevitra, nanomboka ny 24 desambra 2022 hatramin’ny 4 janoary 2023.

R. Nd.

Partager sur: