Filoha teo aloha Ravalomanana Marc : “Mijaly sy tena sahirana ny vahoaka”

Anisan’ny nitondra ny heviny, manoloana ny fiainam-pirenena, indrindra ny lafiny sosialy ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Nambarany fa very fanahy mbola velona ny vahoaka, amin’izao fotoana izao. “Tena mijaly sy sahirana ny vahoaka ary tsy manana hanin-kohanina hanaovana fety. Tsy fantany ny lalana halehany”, hoy izy, tetsy Anosy, omaly. Nanteriny anefa fa tsy misy olana tsy ho voavaha izany. Ilaina ny fahaizana sy ny hakingana ary fahalalana miaraka amin’ny fanovana, araka ny nambarany. “Ny ambara sy tenenina tsy maintsy tanterahina ary tsy maintsy averina aloha ny fifampitokisan’ny vahoaka sy ny mpitondra raha tiana hivaha ny olana”, hoy izy. Nohitsiny fa manjaka ny gaboraraka sy ny fitantanana ratsy ary ny tsy fanajana ny fitsipika eo amin’ny fitantana matoa tonga amin’ny tsy fananam-bola ny fanjakana, raha mitombina tokoa izany.
Fitsipi-dalao amin’ny fifidianana
Anisan’ireo niatrika ny faha-50 taon’ny MFM ny tenany ka nilazany fa anisan’ireo nampianatra politika azy ny mpanorina ny antoko, Rakotonirina Manandafy. Tsy mora ny mandimby azy ary tena nanoratra ny tantaran’ny firenena izany MFM izany, araka ny nambarany hatrany.
Ankoatra izany, notsiahiviny fa ilaina hapetraka ny fitsipi-dalao amin’ny fifidianana. Naneho fahavononana handray anjara izy ireo, indrindra ho amin’ny fahamarinan’izany. “Efa vonona koa ny maro ho amin’ny tolom-panavotana mba hanana firenena vanona”, hoy izy. Mbola nohamafisiny fa tsy mbola very ny fanantenana amin’ny hanaovana ny fikaonandoham-pirenena.

Synèse R.

Partager sur: