Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka: “Nakan’ny papa Fransoa lesona ny Covid-19”

“Tampoka ny nahatongavan’ny covid-19. Nefa na tampoka aza, tokony hahay handray hatrany ny zava-misy na loza na fahasoavana ny kristianina”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Fivondronam­ben’ny Eveka, ny Mgr Ra­harilamboniaina Fabien, ta­min’ireo hery velona any amin’ny diosezy iadidiany, afakomaly, momba ny hafatry ny papa Fransoa amin’ny fankalazana ny andro faha-56 maneran-tany ho an’ny fiadanana, 1 janoary 2023.
Tonga tampoka ary tsy misy afa-bela, na ny firenena manankarena na ny firenena mahantra. Naneho koa izany fa marefo na malemy izay itokian’izao tontolo izao: ny vola aman-karena.
“Ny lesona tsoahina, hoy ny Papa: tsy azo ianteherana ny teknika sy ny fanatontoloana ary ny harena”, hoy ihany izy. Naneho ny fahalovana ihany koa ny covid-19. Nisy risoriso sy fanararaotana na­taon’ny olona sasany. Be loatra ny nanararaotra nanangon-karena. Nefa tsy misy tafavoaka isika, tsy amin’ny covid 19 ihany fa amin’ny lafim-piainana manontolo: ny olana mahazo ny olona iray, mahakasika ny rehetra. Koa raha mitady vahaolana ho an’ny olona iray, ny fifanampian’ny rehetra no tsy maintsy hiatrehana an’izany… Tsy azo ianteherana izao tontolo izao, fa Andriamanitra irery ihany no hany ianteherantsika.

R. Nd.

Partager sur: