Notafihan’ny jiolahy ny tokantrano iray tao amin’ny fokontany Bemasoandro, kaominina Vohimary Atsimo, Distrikan’i Vondrozo, afak’omaly. Voatifitr’ ireo dahalo teo amin’ny tratrany havanana ny tompon’omby ka maty ary lasan’izy ireo ny omby miisa telo. Nandositra avy hatrany ireo olon-dratsy taorian’izay. Tonga teny an-toerana nizaha ny zava-misy ny zandarimariam-pirenena any an-toerana taorian’izay. Nifanampy izy ireo sy ny fokonolona ao an-tanàna ka nanara-dia ireo dahalo sy ny rembiny.
Lavitra ny lalana ary feno ala mikitroka, naraha-maso nandritry izany ny kizo rehetra mety handehanan’ireo jiolahy. Nifanena teo amin’ny toerana iray tsy hiditra amin’ny kizo ny mpanara-dia sy ny dahalo ka raikitra ny fifandonana. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Vokany, maty ny dahalo iray raha tafaporitsaka ny ambiny. Tafaverina tamin’ny tompony ny omby miisa telo avy eo. Mbola mitohy ny fikarohana ny dahalo ambiny tafatsoaka. Miandraikitra ny raharaha ny zandary ao Atsimo Atsinana.
Mino (Mpianatra Asa)