Hatsikana: hisy ny seho “Stand Up” hamaranana ny taona

Hanatanteraka fampisehoana “Stand Up”, eny amin’ny “Madagascar Un­der­ground” Antsa­ha­vola, ny asabotsy 31 desambra 2022, i Raytra Belaw’Yck sy ny namana mpanao hatsikana miaraka aminy. Hanomboka amin’ny 4 ora hariva ny seho. Fam­pi­sehona iarahan’ny “Gasy Stand Uppers” sy ny “Be tige Comedy” izay samy vondrona mpanao “Stand Up”. Hiverina indray ny seho “Vénéré” taorian’ny natao tany Antsirabe sy teny Isoraka. Mpanao “Stand Up” samy manana ny maha izy azy no hiara hisalahy, Hanafana ny fampisehona ny Asabotsy 31 desambra 2022, eny An­tsahavola. Ankoatran’i Ray­tra Belaw’Yck. Han­dray anjara ao ihany koa i Mamy Ralijaona sy Dedss Clodio ary Orima Sa­ro­bidy. Mamy Ralijaona niavaka ny fandraisany anjara tamin’ny “Festival Jo­koso” andiany faharoa tamin’ny nanaovany seho tamin’ny teny vahiny. Ho an’ny Dedss Clodio kosa indray, ilay teny hoe “Olona mitsangana mampiomehy olo­na mipetraka” no ahafantaran’ny mpanaraka “Stand Up” azy. Raha i Orima Sarobidy ko­sa,ilay fitantarana baolina niarahana tamin’ny Aina Maharavo no nampalaza azy.
Karazana hatsikana atao an-tsehatra, ataon’olo-tokana ny “Stand up” raha tsiahivina. Manao hatsikana tsy mampiasa fitaovana sy haingo, ao anaty fotoana voafetra ny mpiantsehatra. Mbola tsy tafapetraka ao an-tsain’ny mpanaraka hatsikana Malagasy izy ity saingy efa ao anatin’ny ezaka fampidirana sy fampahafantarana izany eto Madagasikara ny tompon’andraikitra.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: