Nanomboka avy hatrany ny fametrahana vato fototra, ny fanombohan’ny fotodrafitrasa ahitana tsena ho an’ireo mpivarotra trondro, tao amin’ ny kaominina Ihosy. Hetsika fanehoana, izay notanterahin’i Mahatante Paubert, Minisitrin’ny Jono sy ny toekarena manga, ny asabotsy 24 desambra lasa teo.
Araka izany, hahazo toeram-pivarotana trondro manara-penitra ny mpivarotra sy ny mpanjifa. Azo antoka fa, vokatra madio sy ara-pahasalamana no jifain’ny mponina amin’izany. Ankoatra ny tsena, misy ihany koa ny fari-pisandratan’ny fampamokarana ny atirano na «zone d’émergence piscicole» (ZEP). Izay natao hamokarana zanatrondro sy trondro, azo jifaina atao sakafo.
Tombony lehibe ho an’ity faritra ity, izao fananganana fotodrafitrasa lehibe izao, faritra anisan’ny manana ny lazany amin’ny jono an-tanety, indrindra fa ny famokarana karpa.
Tsiahivina fa, ny hetsika dia notontosaina niaraka tamin’ny governoran’ny faritra Ihorombe sy ireo tompon’andraikitra isan- tsokajiny ao an-toerana.
Fitia (Mpianatra Asa)