Mitohy hatrany ny fankalazana ny Krismasy 2022 ao amin’ny FJKM Ambodihady vaovao Ambohimanarina. Mbola hanatanteraka izany anio hariva, manomboka amin’ny 6 ora sy 20mn ny rantsana Sekoly Alahady Mihira Ambodihady (S.a.mi.a). Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana hotanterahin’ireto ankizy sy tanora ireto eny an-tsehatra ny fiantsana tononkalo, ny tsianjery, ny « commédie musicale »…
Marihina fa handia ny taona faha-35 amin’ny taona ho avy tsy ho ela io ny Sa.mi.a. Ankoatra ny fanabeazana ara-panahy, ankizy sy tanora ary lehibe maro no nitsimoka talenta teo anivony. Ezahin’ny tompon’andraikitra rahateo ny hanome fanabeazana feno ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Sa.mi.a.
HaRy Razafindrakoto